Tatitry ny asa vita sy ny asa ho avy

𝗧𝗮𝗳𝗮𝘁𝗮𝗳𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗜𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗲𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮

📌Ho fampandrosoana ny fiharian’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina izay singa mampitombo ny harena ara-toekarena eto Madagasikara dia maro ireo dingana efa vita :

✅ Fanaovan-tsonia niarahan’ny GEM sy ny Medef International natrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara tany Paris

✅ Fikaonan-doha teo amin’ny sehatra tsy miankina

✅ Fananganana ny FNDI S.A (Fonds National de Développement Industriel) izay entina hanohanana ara-bola ireo orinasa indostrialy malagasy

✅ Fanaovan-tsonia miaraka amin’ny ONUDI ho fanampiana ny fampandrosoan’ny orinasa indostrialy sy hanatsarana ny vokatra ary ny fahaizamanaon’izy ireo. Maharitra hatramin’ny taona 2030 izany fifanarahana manokana izany

✅ Fametrahana ny vovonana UNIPOD eo Tsimbazaza natao ny 28 may lasa teo izay natokana ho fanohanana ireo tanora sy ny fikarohana ataony

✅ Fifampiresahana tsy tapaka (DPP) eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana mifantoka indrindra eo amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana

✅ AGOA : nisy ny fihaonana sy ny fifampiresahana teo amin’ny delegasiona malagasy niaraka tamin’ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia hijerena manokana ny momba ny AGOA ho an’i Madagasikara

✅ Efa miditra amin’ny fanarenana ny orinasam-panjakana ny MIDSP ankehitriny, anisan’izany ny SECREN izay efa nampidirina ao anatin’ny tetibola nasiam-panintsiana 2026 (LFR) ny asa mifandraika amin’izany. Eo ihany koa ny fijerena mpiara-miombon’antoka hampandroso ny seha-pihariana siramamy sy ny fampandehanana ny SIRAMA sy ny SIRANALA.

✅ Fampiasam-bola sy fanatsarana ny fandraharahana eto Madagasikara : misokatra ho an’ny mpandraharaha rehetra ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Efa maro ny dingana nohatsaraina mikasika ny famoronana orinasa izay hiarahana miasa amin’ny EDBM, misy ny fanavaozana eo amin’ny dingana fananganana orinasa. Miezaka hatrany ny rafi-panjakana mametraka tokotany madio sy mahomby ho an’ny mpandraharaha

✅ Orinasa ODOF (One District One Factory) : 30%’ny orinasa ODOF no efa miodina ara-dalana ary efa mijery manokana ny fampandehanana ireo 70% ambiny izay mbola misy olana ny Minisitera. Mijery akaiky ny paikady hampandehanana tanteraka ir

✅ Orinasa afakaba : Ao anatin’ny fanadiovana ireo orinasa afakaba tsy ara-dalàna ny Minisitera amin’izao. Nohon’ ny tsy fanarahana ny sata mifehy ny orisana afakaba no anton’izao, ohatra amin’izany ny tsy fandoavan-ketra, ny tsy famerenana ny vola vahiny vokatry ny fanondranana (rapatriement de devise), ny tsy fanaovana fanondranana, ny tsy fanaovana ireo tatitra eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, ny tsy famokarana intsony.

Amin’izao fotoana izao dia eo am-pamaranana ny fanavaozana sy fanamarinana ny lisitr’ireo orinasa manana taratasy fahazoan-dalana amin’ny maha orinasa afakaba azy ireo ny ministera voakasika. Efa hita mialoha amin’izany dingana izany fa manodidina ny 141 amin’ireo no hirosoana amin’ny fisintonana ny sata sy ny antontan-taratasy mifandraika amin’ny maha orinasa afakaba azy, izay ho dingana voalohany amin’ny fanadiovana sy fanarenana ny rafitra. Hisy ihany koa ny dingana faharoa amin’ny fanafoanana ny agrément ho an’ireo orinasa hafa izay ho voamarina fa mbola tsy manaraka ny fepetra takiana. Na izany aza, tsy midika izany fa voarara tsy hanohy ny asa famokarana ireo orinasa ireo, fa ny sata manokana maha orinasa afakaba ihany no hesorina aminy.

Vous aimerez aussi...