MADAGASIKARA – INDONEZIA

𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗢𝗠𝗕𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗢𝗕𝗢𝗥𝗢𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗡𝗗𝗢𝗦𝗧𝗥𝗜𝗔
𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 22 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙉𝙤𝙧𝙖𝙞𝙨𝙞𝙣’𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙩𝙤𝙖 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙄𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙈𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 (𝙈𝙄𝘿𝙎𝙋), 𝙍𝙖𝙝𝙖𝙧𝙞𝙢𝙖𝙣𝙟𝙖𝙩𝙤 𝙉𝙮 𝙍𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙉𝙖𝙢𝙥𝙤𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙮 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙩𝙤𝙖 𝙇𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙨𝙞𝙤𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙨𝙤𝙞𝙫𝙤𝙝𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙍𝙚𝙥𝙤𝙗𝙡𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙞 𝙄𝙣𝙙𝙤𝙣𝙚𝙯𝙞𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖, 𝙇𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜 𝙎𝙚𝙥𝙪𝙩𝙧𝙤.
Niompana tamin’ireto teboka lehibe ireto ny diniky ny roa tonta :
– Fambolena sy Fanodinana : Ny fahafahana mamboly « palme » eto Madagasikara sy ny fanodinana izany ho lasa menaka fihinana.
– Sehatry ny fifamoivoizana an-dranomasina: Ny fanamorana ny fampidirana fitaovana fanamboarana sambo.
Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’i Indonezia i Madagasikara ary malalaka tanteraka ny tontolon’ny fandraharahana ankehitriny. Nohamafisiny fa hojerena akaiky ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo, indrindra ny fanatsarana ny fampiasam-bola eto an-toerana.
Ho fampiharana izany, hisy ny fitsidihana ofisialy hotanterahin’ny ekipan’ny MIDSP miaraka amin’ireo Ministera hafa any Indonesia amin’ny volana Jolay ho avy izao. Fitsidihana ozinina sy taozava-baventy maro no hatao any an-toerana, mba ho fifanakalozana traikefa sy ho fampitomboana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
