Mahajanga | Tonga hanokatra ny « Lalao Nasionaly ara-panantanjahantena an-tsekoly 2026 » ny 𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀

Nigadona ao Mahajanga ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Izy no hitarika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Lalao Nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly 2026, izay haharitra 4 andro ao an-drenivohitr’i Boeny.

Tanjona amin’izao hetsika lehibe izao ny fampiraisana ireo tanora avy amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy, hanehoana sy hitsirihana ireo talenta vaovao, ary indrindra hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpianatra.

Vous aimerez aussi...