Fampivelarana ny sehatra tsy miankina : kaoperativa 48 no efa voatsangana teto Analamanga sy tany Alaotra Mangoro

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 10 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢.

✅Ao anatin’izany, ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Antananarivo, misahana ny Faritra Analamanga sy Alaotra-Mangoro, dia nahavita nanangana Orinasa Kaoperativa miisa 15 tao anatin’ny 2 herinandro monja.

✅Raha 24 no tanjona napetraka ho an’ity taona 2026 ity, dia efa tafakatra 48 ankehitriny ny fitambaran’ireo Orinasa Kaoperativa voatsangana hatramin’izao fiandohan’ny volana Aogositra izao.

✅Anisan’ny nahafahana nahatratra izao vokatra izao ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Tetikasa PROFILAIT PLUS sy MDB, ONG CDA Andohatapenaka, ONG VVFF ary ONG Madagascar Voakajy.

📌Ho fanamafisana hatrany ny fanohanana ny sehatra tsy miankina, dia kasaina hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Analamanga, indrindra amin’ny fananganana sy fampiroboroboana ireo Orinasa Kaoperativa eny ambanivohitra.

📌Ny MIDSP dia manohana hatrany ny fandraharahana, mampiroborobo ny famokarana ary manamafy ny sehatra tsy miankina ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...