Novotel Ivandry, 01 Jolay 2026 – Fanombanana an’i Madagascar mikasika ny fampiharana ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana amin’ny ady amin’ny kolikoly (CNUCC)

Natao omaly ny fivoriana ho amin’ny fanombanana an’i Madagasikara mikasika ny fampiharana ny CNUCC. Noho ny andininy faha-12 ao anatin’ity fifanarahana ity, izay miresaka manokana momba ny sehatra tsy miankina, dia nasaina handray anjara ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Ny Fitaleavana Misahana ny Ady amin’ny Kolikoly (DAILAC), notarihin’ny Tale, Andriamatoa FINOANA Cédric, no nisolotena ny Minisitera tamin’izany.
Nasongadina nandritra ny fifanakalozana ny tokony hisian’ny fampiasam-bola mahitsy sy mangarahara. Ny Fanjakana mantsy no miantoka ny fisian’izany mangarahara izany amin’ny fomba fiasa rehetra izay idiran’ny sehatra tsy miankina.
Satria mbola dingana fanombanana sy fandraisana soso-kevitra izao fa tsy mbola tatitra farany, dia nifantoka tamin’ny fanangonana ny hevitry ny mpandray anjara rehetra ny fivoriana. Tafiditra ao anatin’izany:
Ny sehatra tsy miankina,
Ny rantsana misahana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara,
Ary ny minisitera mpiahy (MIDSP).
Notsiahivina ihany koa fa andraikitry ny MIDSP ny miantoka sy manamora ny fifandraisana eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Efa manana politika anatiny momba ny ady amin’ny kolikoly ny Minisitera ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanatsarana ny paikady iombonana. Ity fanombanana ity kosa dia sehatra iray nahafahana nampitombo sy nampivelatra hatrany izany fahaiza-manao izany mba ho hery ho an’ny roa tonta.
