Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny kaoperativa

𝗡𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗺𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮

📌𝗔𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗦𝗔𝗩𝗔, 𝗮𝗼 𝗦𝗮𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮, 𝗻𝘆 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗜𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 (𝗝𝗜𝗖) 𝗵𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗶𝘁𝘆. 𝗡𝗼𝘀𝗼𝗸𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝟬𝟯 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝟬𝟱 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲.

✅Nanamarika ny andro voalohany ny diabe lehibe niarahana tamin’ireo kaoperativa mpandray anjara sy ny fampirantiana eny amin’ireo trano heva 50. Mpampiranty miisa 80 no mandray anjara, ary kaoperativa avy amin’ny faritra maro toy ny Faritra SAVA, Diana, Analamanga, Haute matsiatra, Fitovinany izay misehatra amin’ny lavanila, jirofo, kakao, kafe, voanio, sakamalaho, vary, mangahazo sy katsaka izay vokatra azo ahodina avokoa fa eo ihany koa ny patchouli izay vokatra vaovao vao misandratra ary ny seha-pitaterana, no hita amin’izany.

✅Mandritry ny 3 andro fankalazana dia hisy ny fampirantiana, ny fiofanana momban’ny lalàna vaovao mifehy ny orinasa kaoperativa sy ny fomba fananganana sy fitantanana izany, ary ny adihevitra ara-teknika mba hanavaozana fiaraha-miasa, satria ny fampandrosoana dia miainga eny ifotony.

✅Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 4 500 ny kaoperativa ara-dalàna manerana ny nosy. Tao amin’ny faritra SAVA kosa dia nisy kaoperativa vaovao 206 natsangana teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2026. Zava-dehibe ihany koa ny fananganana ny Federasionan’ny Kaoperativa Mpamokatra Lavanila tamin’ity taona ity.

✅Ho fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny kaoperativa, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, dia mametraka sori-dàlana dimy lehibe, araky ny nambaran-dRamatoa Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal, nandritra ny lahateniny:

👉 Fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny mangarahara anatiny ;

👉 Fanamorana ny fidirana amin’ny famatsiam-bola ara-dalàna ;

👉 Fampiroboroboana ny fanodinana sy fampiakarana ny sanda eto an-toerana ;

👉 Fampidirana ny teknolojia sy ny fanavaozana nomerika amin’ny fitantanana sy ny varotra ;

👉 Fanamafisana ny fifandraisana amin’ny tsena nasionaly sy iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny federasiona matanjaka.

✅Manome tanana ny Minisitera hatrany ny mpiara-miombon’antoka, ny tetikasa PAISF, amin’ny fanatontosana izao fankalazana ny JIC izao.

Vous aimerez aussi...