Fanarenana ny toekarena eto Madagasikara, Famoronana asa sy Fampananan’asa ary Fanodinana ara-indostrialy

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 09 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘏𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘦𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘩𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 06 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 08 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026, 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘵𝘢𝘥𝘦 𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘭’𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦 𝘦𝘵 𝘥𝘶 𝘊𝘰𝘮𝘮𝘦𝘳𝘤𝘦 2026.

✅Mifanaraka tanteraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) sy ny paikady stratejikan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) ity hetsika goavana ity. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny hampitomboana ny famoronana asa ary ny hanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.

📌Amin’ny maha-minisitera mpiahy ity hetsika ity, dia manamafy ny fanohanany ireo tanora, mpandraharaha, mpampiasa vola ary ireo mpisehatra rehetra ny MIDSP.

Mandritra ireo telo andro, tranoheva maherin’ny 100 no handray ireo mpitsidika sy mpandray anjara, ka hanome sehatra :

✅ Hanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manao Malagasy;

✅ Hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-barotra;

✅ Hampifandraisana ny orinasa, ny tanora, ny mpitady asa ary ny mpampiasa vola;

✅ Hanamafisana ny famoronana asa sy ny fampifanarahana ny fahaiza-manao amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa;

✅ Hanohanana ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ara-indostrialy eto Madagasikara.

📌Salon de l’Industrie et du Commerce 2026: fotoana iray hiarahan’ny rehetra miasa sy manorina ho amin’ny toekarena matanjaka, mamorona asa ary mampandroso an’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...