Fankalazana ny andro Afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly

𝑻𝒐𝒂𝒎𝒂𝒔𝒊𝒏𝒂, 10 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑵𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝑻𝒐𝒂𝒎𝒂𝒔𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝑨𝒇𝒓𝒊𝒌𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒊𝒌𝒐𝒍𝒚, 𝒏𝒐𝒕𝒂𝒓𝒊𝒉𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑹𝒆𝒑𝒐𝒃𝒍𝒊𝒌𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂, 𝒏𝒚 𝑲𝒐̂𝒍𝒐̂𝒏𝒆𝒍𝒚 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑰𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑴𝒊𝒄𝒉𝒂𝒆̈𝒍, 𝒏𝒊𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑷𝒓𝒂𝒊𝒎𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑳𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑮𝒐𝒗𝒆𝒓𝒏𝒆𝒎𝒂𝒏𝒕𝒂, 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑹𝑨𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨𝑹𝑰𝑺𝑶𝑵 𝑴𝒂𝒎𝒊𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂. 𝑵𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒂 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒏𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒐𝒇𝒊𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒊𝒓𝒂𝒐 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑩𝑰𝑨𝑵𝑪𝑶 𝒆𝒕𝒐 𝑻𝒐𝒂𝒎𝒂𝒔𝒊𝒏𝒂.

Nitondra ny lohahevitra hoe « Hamafisina ny fampiroboroboana ny fahitsiana sy ny ady amin’ny kolikoly eto Afrika » ity fankalazana ity, izay nanamafy fa andraikitry ny rehetra ny ady amin’ny kolikoly ary fototra iray hanamafisana ny fitondrana tsara tantana sy ny fampandrosoana maharitra.

Nandritra ny lahateniny, niantso ny olom-pirenena rehetra, indrindra ny tanora, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mba handray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana sy ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisiny fa andraikitry ny rehetra izany ary antoky ny fampandrosoana ny firenena.

Etsy ankilany, nanasongadina ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor, ny firaisan-kina sy ny fahavononan’ireo manampahefana ambony, ireo andrim-panjakana ary ireo rafitra samihafa misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny kolikoly, ho fanamafisana ny fitondrana tsara tantana.

Nisolotena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) tamin’izao fankalazana izao Andriamatoa FINOANA Cédric, Tale misahana ny Ady amin’ny Kolikoly (DAILAC). Amin’ny alalan’izany fandraisana anjara izany dia manamafy ny fanoloran-tenany amin’ny fampanjakana ny fahitsiana, ny mangarahara ary ny fitondrana tsara tantana eo amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ara-toekarena ny Minisitera.

Amin’ny maha-minisitera tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina azy, ny MIDSP dia manamafy ireo rafitra sy fepetra anatiny hiantohana ny fahitsiana, ny mangarahara ary ny fitantanana mendrika, mba hamoronana tontolo madio sy manara-dalàna, mahasarika ny fampiasam-bola ary mampiroborobo ny asa famokarana.

Vous aimerez aussi...