Madagasikara eo amin’ny sehatra irasam-pirenena : Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampiasana ny Mineraly amin’ny Fiovan’ny Angovo Fampiasa

𝑵𝒆𝒘 𝒀𝒐𝒓𝒌, 14 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑵𝒊𝒔𝒐𝒍𝒐𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒊𝒃𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝑴𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑰𝒏𝒅𝒐𝒔𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒍𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒔𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂, 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑵𝑱𝑨𝑻𝑶 𝑵𝒚 𝑹𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑵𝒂𝒎𝒑𝒐𝒊𝒏𝒂, 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒐 𝒍𝒆𝒏𝒕𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒊𝒏𝒆𝒓𝒂𝒍𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒍𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒈𝒐𝒗𝒐 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒚.
𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗲𝘃𝗶-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮?
𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐧𝐣𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐤𝐢𝐛𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚: Tsy hionona amin’ny fanondranana fotsiny intsony isika, fa hiezaka hanodina izany eto Madagasikara mba hamoronana asa mendrika ho an’ny tanora sy hanamafisana ny indostria malagasy.
𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚: Manana vokatra indostrialy miisa 259 azo trandrahana tsara isika, ahitana tetikasa fampiasam-bola miisa 124 izay mitentina 1,82 miliara USD ary afaka hamorona asa ho an’ny Malagasy manodidina ny 20 000.
𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐚𝐩𝐨𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 (𝐏𝐆𝐄-𝐑) : Laharam-pahamehana ny fanovana ny rafitra indostrialy. Mifandray indrindra amin’izany ny famerenana ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka (permis miniers) mba handrindrana sy hanamafisana ny fampiasam-bola.
𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 (𝐏𝐂𝐏 𝐎𝐍𝐔𝐃𝐈–𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝟐𝟎𝟐𝟔–𝟐𝟎𝟑𝟎): Ity tetikasa miaraka amin’ny ONUDI ity no fitaovana lehibe hitondrana teknolojia vaovao sy hanehoana ireo tetikasa ho an’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena.
𝗡𝘆 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗻’ 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 :
Miantso ireo mpiantsehatra iraisam-pirenena sy ireo mpampiasa vola ny firenena Malagasy mba hiara-hiasa aminy. Tsy amin’ny fitrandrahana ihany, fa indrindra amin’ny fananganana orinasa mpanodina izany eto an-toerana mba handraisan’i Madagasikara anjara mavitrika amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa manerantany!
