Firenena Mikambana | Madagasikara dia mila fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny Indostria

𝑵𝒆𝒘 𝒀𝒐𝒓𝒌, 14 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 | 𝑵𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑳𝒂𝒕𝒂𝒃𝒂𝒕𝒓𝒂 𝑩𝒐𝒓𝒊𝒃𝒐𝒓𝒚 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒗𝒐𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒗𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒐 𝒍𝒆𝒏𝒕𝒂 𝒏𝒐𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝑴𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒊𝒏𝒆𝒓𝒂𝒍𝒚 𝒊𝒍𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒈𝒐𝒗𝒐 𝒏𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑰𝒏𝒅𝒐𝒔𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒍𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂, 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑵𝑱𝑨𝑻𝑶 𝑵𝒚 𝑹𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑵𝒂𝒎𝒑𝒐𝒊𝒏𝒂.
Nandritra izany no nanamafisan’i Madagasikara fa tsy tokony hifarana amin’ny fanondranana akora fototra intsony ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, fa tokony ho fototry ny fananganana indostria, ny famoronana asa ary ny fampitomboana ny sandam-bokatra eto an-toerana.
Nasongadin’ny Minisitra fa ilaina ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mirindra kokoa, mifototra amin’ny fandaharanasa iombonana fa tsy tetikasa misaraka, ka ny Programme de Partenariat Pays (PCP) ONUDI–Madagasikara 2026-2030 no rafitra stratejika hanamafisana izany.
Nampahafantatra ihany koa ny Tahirim-bola Nasionaly ho an’ny Fampandrosoana ny Indostria (FNDI) ny Minisitra, izay natao hanohanana ny fanodinana eto an-toerana, ny fampiroboroboana ny PME ary ny fananganana rojom-pamokarana manana sanda ambony.
Amin’ny alalan’izany, dia manamafy i Madagasikara fa ny mineraly ilaina amin’ny fiovan’ny angovo dia tokony ho antoky ny fiandrianam-pirenena ara-indostrialy, ny fitomboana ara-toekarena maharitra ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka, araka ny vina entin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.
