Fitsidihan’ny Praiminisitra teny amin’ny CO-FDS

Manoloana ireo tranga miseho eto amin’ny firenena dia noraisin’Andriamatoa Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana ho laharam-pahamehana ny fandraisana andraikitra haingana sy mahomby.
Noho izany dia nidina teny an-kianja izy, nanao fitsidihana tampoka teny amin’ny CO-FDS, ny alin’ny 27 Jolay, nijery ifotony ny zava-misy, nankahery ireo tompon’andraikitra miasa eny ifotony sy ny vahoaka voakasika, ary nanome toromarika mazava mba hanafainganana sy hanamafisana ny fandraisana andraikitra.
Izao hetsika izao dia maneho mazava fa mijoro eo anilan’ny vahoaka hatrany ny Fitondram-panjakana, ary mandray andraikitra avy hatrany amin’ny famahana ireo olana sedrain’ny mponina.
