Fitokanana ny lalana vaovao ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—›๐—œ๐— ๐—”๐—›๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—ฌโ€“๐—”๐— ๐—•๐—”๐—ง๐—ข๐—•๐—˜ sy fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa ยซย ๐—™๐—Ÿ๐—ฌ ๐—ข๐—ฉ๐—˜๐—ฅย ยป ๐—”๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—œ๐—ญ๐—”๐—ง๐—ข

๐˜ˆ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ช๐˜ต๐˜ด๐˜บ โ€“ ๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ด๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜ต๐˜ฐ, 31 ๐˜‘๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข๐˜บ 2026 โ€“ ๐˜“๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฐ๐˜ง๐˜ช๐˜ด๐˜ช๐˜ข๐˜ญ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ด๐˜ฐ๐˜ด๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ต๐˜ข๐˜ณ๐˜ช๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ช๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ๐˜ป๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜™๐˜ฆ๐˜ฑ๐˜ฐ๐˜ฃ๐˜ญ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ช ๐˜”๐˜ข๐˜ฅ๐˜ข๐˜จ๐˜ข๐˜ด๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข, ๐˜’๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ญ๐˜บ ๐˜™๐˜ˆ๐˜•๐˜‹๐˜™๐˜๐˜ˆ๐˜•๐˜๐˜™๐˜๐˜•๐˜ˆ ๐˜”๐˜ช๐˜ค๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฆฬˆ๐˜ญ, ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ.

โœ… Notokanana tamin’izany ny lalana vaovao mampitohy an’Ambohimahitsy sy Ambatobe, foto-drafitrasa natao hanatsarana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana, ary hanamorana ny fifamoivoizana amin’ireo faritra manodidina.

๐Ÿ“Œ Mirefy 2,468 km ny lalana nohavaozina, izay nahitana fanitarana sy fanarenana ny arabe, fanatsarana ireo fihaonan-dalana ary fanamboarana ireo sampanan-dalana, ka antenaina hitondra fivoarana lehibe eo amin’ny lafiny fifamoivoizana sy ny fampandrosoana ara-toekarena.

โœ… Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny tetikasa ยซย Fly Overย ยป eny Anosizato, izay vinavinaina haharitra 24 volana ny fanatanterahana azy.

๐Ÿ“Œ Ny BADEA (Banque Arabe pour le Dรฉveloppement ร‰conomique en Afrique) no mamatsy vola ny tetikasa, iarahana manatanteraka amin’ny Fanjakana Malagasy, ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny foto-drafitrasa sy ny fifamoivoizana eto amin’ny firenena.

โœ… Nohamafisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaรซl, fa isan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana ny fanarenana sy fananganana foto-drafitrasa. Araka ny nambarany, ny lalana tsara kalitao no misarika ny fampiasam-bola, mamorona asa ary mampiroborobo ny toekarem-pirenena.

๐Ÿ“Œ Notsindriany ihany koa fa ny zava-dehibe dia ny fanatanterahana ny asa ho tombontsoan’ny vahoaka, fa tsy ny fijerena hoe iza no nanolotra ny hevitra, iza no nanatanteraka na iza no mitokana izany.

โœ… Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy Ramatoa vadiny, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ireo Solombavambahoaka ary ireo Ben’ny Tanร na voakasika. Anisan’ireo nanatrika ihany koa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Vous aimerez aussi...