JNSS | lalao nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly 2026

𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 10 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘓𝘢𝘭𝘢𝘰 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘫𝘢𝘩𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘦𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 2026 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢
Nigadona tany Mahajanga ny hariva teo ny delegasiona tarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Miara-dia aminy any an-toerana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Haharitra efatra andro ity lalao hampiray hina ny tanora isaky ny faritra rehetra ity ary hampisongadina ireo mpianatra izay ho avin’ny firenena.
