JIFA 2026 | Tanora Malagasy misongadina eto Afrika

𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 11 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘪-𝘱𝘢𝘯𝘬𝘢𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘪 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘕𝘐𝘛𝘙𝘐𝘕𝘐𝘈𝘐𝘕𝘈 𝘒𝘦𝘻𝘪𝘢, 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘰 𝘉𝘰𝘦𝘯𝘺, 𝘯𝘰𝘩𝘰 𝘯𝘺 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 « 𝘗𝘳𝘪𝘹 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘤𝘢𝘪𝘯 𝘚𝘎𝘔𝘛 𝘥𝘦 𝘭’𝘈𝘶𝘥𝘢𝘤𝘦 𝘍𝘦́𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘦 », 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 300 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘪 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢.
Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, no nanolotra azy ny mari-pankasitrahana. Marihana fa vokatry ny fanohanana sy ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Mahajanga ary ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Mahajanga, ireo tanora any an-toerana no nahitana izao fahombiazana izao.
Tamin’ny alalan’ny tetikasany Eco-Cycle, izay manodina fako plastika ho » pavés autobloquants « sy angovo, no nisoloany tena an’i Madagasikara.
Fitaratra ho an’ny tanora Malagasy ny fahombiazany ary porofo fa afaka misongadina eo amin’ny sehatra afrikanina ny fandraharahana malagasy.
