Salon des Acteurs économiques de Mahajanga | SAEM 2026

𝗙𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆

📍 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 20 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-3 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺  » 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘥𝘦𝘴 𝘈𝘤𝘵𝘦𝘶𝘳𝘴 𝘌́𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘲𝘶𝘦𝘴 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢  » (𝘚𝘈𝘌𝘔 2026). 𝘕𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘣𝘦𝘢𝘻𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 (𝘔𝘌𝘕), 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘚𝘦𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘕𝘪𝘳𝘪𝘯𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘉𝘰𝘦𝘯𝘺 𝘮𝘰𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺.

👉 Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), ANDRIAMADISON Haingotiana, niaraka tamin’ireo olom-panjakana ambony, solotenan’ireo firenena vahiny, mpandraharaha ary mpiara-miombon’antoka maro.

✅ Amin’ny maha Minisitera mpiahy ny hetsika azy, ny MIDSP dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny fanodinana eto an-toerana ireo akora sy vokatra eny ifotony ho lasa vokatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, manana sanda miampy ary afaka mifaninana eny an-tsena.

✅ Miompana amin’ny « Fotodrafitrasa, Fandaminana ny Tanàna ary Angovo » ny SAEM 2026, ary sehatra iray hampifandraisana ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, hisarihana fampiasam-bola ary hamoronana fiaraha-miasa vaovao ho fampandrosoana ny Faritra Boeny sy ny toekarena Malagasy.

Vous aimerez aussi...