ASIEF 2026 | Manakara
𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣, 𝗺𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝗷𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮

𝘔𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢, 26 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯𝘢, 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘢𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘚𝘐𝘌𝘍 (𝘈𝘴𝘴𝘰𝘤𝘪𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘚𝘱𝘰𝘳𝘵𝘪𝘷𝘦 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦́𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭’𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘵𝘪𝘦𝘯 𝘥𝘦𝘴 𝘍𝘰𝘯𝘤𝘵𝘪𝘰𝘯𝘯𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴) 2026.
Mandray anjara amin’ity fihaonana ara-panatanjahantena lehibe ho an’ny mpiasam-panjakana ity ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), amin’ny taranja VTT, Football à 7 ary Kick Boxing.
Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia tonga manotrona sy mankahery ireo mpandray anjara any an-toerana ihany koa.
Ankoatra ny fifaninanana, fotoana iray hanamafisana ny firaisankina, ny fifandraisana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiasam-panjakana ny ASIEF.
Fankaherezana manokana ho an’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny MIDSP misolo tena ny Minisitera any Manakara. Mirary fahombiazana ho anareo amin’ny fifaninanana rehetra. Asehoy hatrany ny firaisankina, ny fifanajana ary ny toe-tsaina mendrika ny MIDSP.
Mandrosoa hatrany, ekipa MIDSP!
