Olom-pirenena vonona hanefa ny adidy ho an’ny firenena

📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 09 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘥𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘧𝘪𝘥𝘺, 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘢𝘰𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘪𝘥𝘪𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 (𝘊𝘌𝘕𝘐).

✅ Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sady nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry.

📌 Natao indrindra ity hetsika ity mba hanamorana ny fahafahan’ireo mpiara-miasa manatanteraka ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy, ka tsy ho sakana amin’ny fisoratana anarana ny asa aman’andraikitra andavanandro.

✅ Nanamafy moa Andriamatoa Sekretera Jeneraly fa manana zo sy adidy hifidy ny olom-pirenena tsirairay. « Hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra isika rehetra » hoy izy mba hahatanteraka izany.

📌 Hotanterahina mandritra ny roa andro ity hetsika fampidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy eto anivon’ny MIDSP ity. Tsy voafetra ho an’ny mpiara-miasa ihany koa izany, fa afaka manatona ety Anosy ary misitraka izany fanamorana izany ny fianakavian’izy ireo.

#CENI

#MIDSP

Vous aimerez aussi...