Softevent 2026 – Fankalazana ny faha-25 taonan’ny Softwell

𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢, 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘰𝘧𝘵𝘌𝘷𝘦𝘯𝘵 2026, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-25 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘰𝘧𝘵𝘸𝘦𝘭𝘭, 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘓𝘦 𝘤𝘢𝘳𝘳𝘦𝘧𝘰𝘶𝘳 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘱𝘦𝘳𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘯𝘤𝘦 ».
Nifantoka tamin’ny anjara toeran’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fanovàna nomerika amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny orinasa sy ny fitantanan-draharaha ny hetsika. Notsindriana ihany koa ny maha zava-dehibe ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME), ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny famoronana asa.
Ao anatin’izany, nisongadina ny fanohanan’ny Fanjakana, tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny famoronana asa.
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny lanonana Andriamatoa Talen’ny Haitao ara-kajy Mirindra (DSI), RAHARINAIVOSON Andoniaina Josué.
Ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, miaraka amin’ny fanavaozana sy ny fampiasana ny teknolojia, dia anisan’ny singa lehibe amin’ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara.
