IT UNIVERSITY : Fankalazana ny faha-15 taona sy fanamafisana ny fiaraha-miasa

𝘈𝘯𝘥𝘰𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘰𝘧𝘰𝘵𝘴𝘺, 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-15 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘐𝘛 𝘜𝘯𝘪𝘷𝘦𝘳𝘴𝘪𝘵𝘺, 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘣𝘦𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢𝘬’𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘩𝘪𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢.

📌Nisongadina nandritra ny lanonana ny fanokafana ny lalam-piofanana vaovao « Digital Leadership and Administration », ary ny fanaovana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MIDSP sy ny IT University.

✅Nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny Talen’ny Fanohanana ny Sehatra tsy Miankina (DASP), RAKOTOARIMALALA Ravo.

📌Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny hanamafy ny fanohanana ny tanora, ny fanabeazana ary ny fandraharahana, ho fanamafisana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...