Polypreneuriat 7.0

𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 18 𝘴𝘺 19 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘢𝘷𝘦́ 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-7 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘖𝘓𝘠𝘗𝘙𝘌𝘕𝘌𝘜𝘙𝘐𝘈𝘛, 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘴𝘴𝘰𝘤𝘪𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘢 𝘗𝘳𝘰𝘮𝘰𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘭’𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘵 (𝘈𝘗𝘌𝘌𝘚𝘗𝘈), 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢.
Nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny Talen’ny Fanohanana ny Sehatra Tsy Miankina (DASP), RAKOTOARIMALALA Ravo.
Ny POLYPRENEURIAT 7.0 dia manome sehatra ho an’ny tanora, mpianatra, injeniera, mpikaroka ary mpandraharaha hanehoana ny talentany sy hampiharana ny fahalalany amin’ny famoronana vahaolana mifanaraka amin’ny filàn’i Madagasikara.
Anisan’ireo lohahevitra ifantohana amin’ity andiany ity ny fampiharana ny Ilontsaina Artifisialy amin’ny fambolena sy ny fandraharahana, ny fifandraisan’ny siansa sy ny orinasa, ary ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny fandraharahana.
Ny MIDSP, izay isan’ireo mpiahy ny hetsika, dia manohana ny fampifandraisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-tsiansa amin’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ny indostria. Sehatra iray ihany koa izao hetsika izao hanamafisana ny fifandraisan’ny tanora, ny orinasa, ny mpikaroka ary ny andrim-panjakana, ho fampiroboroboana ny fanavaozana, ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ara-indostrialy sy ara-toekarena.
