PNRDC mitohy any amin’ny faritra Anosy ny fanisana ireo orinasa kaoperativa

𝘛𝘢𝘰𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰, 22 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊) 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺.
Tao amin’ny Hôtel KALETA, no nanatanterahana ny atrikasa fanombohana sady ihany koa nentina nampahafantarana ny Lalàna vaovao 2023-016 mifehy ny orinasa kaoperativa. Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Ramatoa MANANARIVO Arlise Winnie. Nambarany fa : « efa miditra amin’ny dingana fampiharana eny ifotony izao ny PNRDC. Anjaran’ny Faritra Anosy amin’ity herinandro ity ny fanatanterahana ny fanisana sy ny fametrahana amin’ny rafitra nomerika ireo orinasa kaoperativa. Efa vita izany tany Analamanga sy Atsinanana ary Analanjirofo, ary hitohy any amin’ireo faritra hafa manerana ny Nosy ny hetsika. »
Ny tanjon’ny PNRDC dia ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka, marina ary voamarina momba ireo orinasa kaoperativa, mba hanatsarana ny fahafantarana sy ny fanaraha-maso ny sehatry ny kaoperativa eto Madagasikara.
Antso ho an’ireo kaoperativa rehetra:
Araraoty izao fotoana izao hanamarinana sy hanavaozana ny antontan-taratasy, ary handraisana anjara amin’ny fanisana.
Ny ekipan’ny Minisitera dia mandray anareo isanandro ao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina ao Tanambao, eo akaikin’ny CEG.
