Fankalazana ny faha-77 taonan’ny nananganana ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina

𝘕𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢, 24 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘪 𝘚𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘕𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-77 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢 𝘌𝘯𝘵𝘪𝘮-𝘣𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘚𝘪𝘯𝘢.
Nanotrona ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ary ireo mpikambana maro eo anivon’ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly RAZAFITOMBO Ely, no nitondra teny tamin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ka nanasongadina ireo sehatra ahafahan’i Madagasikara sy i Sina manamafy ny fiaraha-miasa.
Nohamafisina manokana ny sehatry ny fambolena, anisan’izany ny fampiroboroboana ny vary hybride, izay afaka manampy amin’ny fampitomboana ny vokatra, fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo ary fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.
Nandritra ny lanonana ihany koa no nanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sina mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny firenena roa tonta, ao anatin’ny fifanajana, fifampitokisana ary fiaraha-miasa.
Naneho ny fankasitrahany ny Governemanta Malagasy ihany koa ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, noho ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa sy ny ezaka iombonana amin’ny fampandrosoana.
