Salon de l’auto 2026 : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 15

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 25 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢 15 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘭’𝘈𝘶𝘵𝘰, 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘳𝘰𝘶𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘦𝘴 𝘊𝘰𝘯𝘤𝘦𝘴𝘴𝘪𝘰𝘯𝘯𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 𝘈𝘶𝘵𝘰𝘮𝘰𝘣𝘪𝘭𝘦𝘴 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 (𝘎𝘊𝘈𝘔), 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘔𝘰𝘣𝘪𝘭𝘪𝘵𝘦́ 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘭𝘭𝘪𝘨𝘦𝘯𝘵𝘦 ».

Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana Ramatoa Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), TIDAHY Chantal.

Tonga nitsidika tao ihany koa moa Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana ary niaraka taminy Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Mihoatra noho ny fampirantiana fiara, ny Salon de l’Auto 2026 dia mampahafantatra ireo vahaolana sy teknolojia vaovao eo amin’ny sehatry ny fitaterana ary ahitana ihany koa ireo fitaovana sy teknolojia natao hanatsarana ny fiarovana sy ny fivezivezena.

🚗 26–27 Septambra & 1–4 Oktobra 2026 | CCI Ivato

Vous aimerez aussi...