PNRDC | Mitohy any amin’ny faritra Vakinankaratra ny fanisana ireo Orinasa Kaoperativa

Antsirabe, 28 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊) 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 Vakinankaratra.

✅Tao amin’ny Hôtel ROYAL PALACE, no nanatanterahana ny atrikasa fanombohana sady ihany koa nentina nampahafantarana ny Lalàna vaovao 2023-016 mifehy ny orinasa kaoperativa. Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, tamin’izany Ramatoa Tale iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Vakinankaratra – Menabe, RATSIMANDRATRA Fenosoa Dolaniaina Nomenjanahary. Nambarany fa :  » ny fisian’ny lalàna dia dingana lehibe, saingy ny tena zava-dehibe dia ny fampiharana azy eny ifotony sy ny fanamorana ny fanarahan’ireo kaoperativa ny fepetra voalaza ao anatiny. « 

Noho izany, tsy fitaovana ara-teknolojika fotsiny ny PNRDC, fa rafitra iray hanamafisana ny ara-dalàna, ny mangarahara, ny fitantanana ary ny fampandrosoana ny kaoperativa.

🎯 Ny tanjon’ny PNRDC dia ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka, marina ary voamarina momba ireo orinasa kaoperativa, mba hanatsarana ny fahafantarana sy ny fanaraha-maso ny sehatry ny kaoperativa eto Madagasikara.

📢 Antso ho an’ireo kaoperativa rehetra ao Vakinankaratra :

Araraoty izao fotoana izao hanamarinana sy hanavaozana ny antontan-taratasy, ary handraisana anjara amin’ny fanisana.

Ny ekipan’ny Minisitera dia mandray anareo isanandro ao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ao Vatofotsy, eo akaikin’ny BCMM.

Vous aimerez aussi...