Dinika ho fanaingana ny ara-toekarena isam-paritra, Faritra SAVA sy DIANA

Notanterahina ny 29 janoary 2026 teo tao Antsiranana ny Dinika isam-paritra ho anny Fanarenana ny Toekarena, mahakasika ny Faritra SAVA sy DIANA. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatinny ezaka atao hanamafisana indray ny fifandraisana ara-toekarena eo aminny Fitondrana sy ny Sehatra Tsy Miankina.Nisolo tena ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) Andriamatoa RASOARAHONA Andriniaina taminizany ny Talenny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) eto anivonny Minisitera Ramatoa FALIARIVONY Liliane Kezia.

Nokendrena taminity dinika ity ny fametrahana fanavaozana haingana misy fiantraikany aminny asa sy ny vokatra, ny fanamafisana ny Dinika ifanaovanny Fitondrana sy ny Sehatra Tsy Miankina, ary ny famolavolana fifanarahana mazava sy azo refesina. Anisanny vokatra andrasana ihany koa ny fananganana Drafitra Nasionaly ho anny Fanarenana sy ny Fifaninanana, miaraka aminny fametrahana rafitra fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo fanavaozana laharam-pahamehana.

Nandritra ny hetsika dia nisy ny lahateny ofisialy sy ny fakan-kevitra nifanaovanireo solotenam-panjakana sy ny Sehatra Tsy Miankina. Nisy ihany koa fotoana natokana ho anny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona ho anireo orinasa tsy miankina faranizay kely indrindra sy salantsalany (TPME) ay ireo kaoperativa misehatra ao antinny « agri-business », fizahantany ary ny toekarena manga.

Ity dinika ity dia manamarika dingana iray lehibe aminny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ara-toekarena maharitra any aminny Faritra Avaratra.

Vous aimerez aussi...