Akon’ny fananganan-tsaina volana Oktobra teto anivon’ny MIDSP

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 05 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘵𝘺 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 𝘪𝘵𝘺.
Nandritra izany, nanao jery todika ny asa vita tao anatin’ny enim-bolana nitantanany ny Minisitera Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ka nanasongadinany ireo vokatra azo tsapain-tanana ho fampiroboroboana ny indostria sy ho fampivelarana ny sehatra tsy miankina ka tena hitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena Malagasy.
Notsindriany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny kalitaon’ny asa, ny fahitsiana ary ny fanajana ny fitsipi-pitondran-tena, mifanaraka amin’ny toromarika napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
