Tontolon’ny fandraharahana eny ifotony isam-paritra

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮.
📍𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 06 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 215 𝘮𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢, 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢, 𝘧𝘪𝘰𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘰𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘉𝘰𝘦𝘯𝘺.
✅Manodina sy manome sanda ambony ireo vokatra ifotony sy ireo akora ireo orinasa kaoperativa ireo.
Ao anatin’ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Programa Nasionaly momba ny fanisana sy fametrahana amin’ny rafitra nomerika ireo orinasa kaoperativa (PNRDC) dia tanjona napetraka amin’ity herinandro ity ny hahavitana ny fanisana orinasa kaoperativa miisa 50.
✅Ao aorian’izay dia ho tohizan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) amin’ny alalan’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) BOENY ny fanaovana ny fanisana ao amin’ny biraon’ny DIRIDSP, Bloc Administratif Ampisikina, rihana fahatelo.
