Zanaka akoho 3000 ho an’ireo mpisitraka 200 eto Analamanga

📍 𝘈𝘭𝘢𝘴𝘰𝘳𝘢, 07 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘯𝘢 𝘻𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘬𝘰𝘩𝘰 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 3 000 𝘴𝘺 𝘱𝘳𝘰𝘷𝘢𝘯𝘥𝘺 700 𝘬𝘨 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 200 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘢𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘺 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘷𝘢𝘰 𝘯𝘢𝘫𝘰𝘳𝘰 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 6 𝘮𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢.

✅ Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) no niandraikitra ny fanofanana sy ny fananganana ireo kaoperativa miisa 6 mba ho tena matihanina tokoa izy ireo. Ny Minisiteran’ny Fiompiana no nanolotra ireo zanaka akoho, ary ny ONG Valoria kosa no nanome ny provandy ho fanombohana ary nanome tan-tsoroka ihany koa niainga tany amin’ny fanomezana fiofanana momba ny fiompiana ka hatrany amin’ny fampivelarana ny fiharian’izy ireo.

📌 Nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny Tale iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Antananarivo, ANDRIANANTENAINA Liva.

✅ Ny MIDSP dia manohana sy manara-maso ireo kaoperativa, mba hampiroboroboana ny fandraharahana sy hanatsarana ny fiveloman’ireo mpikambana.

Vous aimerez aussi...