Sial Paris 2026 : Velarina eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena ny vokatra Malagasy

🇲🇬𝘕𝘺 17 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 21 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026, 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 10 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘐𝘈𝘓 𝘗𝘢𝘳𝘪𝘴 2026, 𝘴𝘦𝘩𝘰 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰.

👉Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) sy ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), miaraka amin’ny fanohanan’ny Tetikasa PIC3 sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Frantsa Madagasikara (CCIFM), no miara-miasa amin’ny fanomanana izao fandraisana anjara izao.

📌Lavanila, jirofo, kakao, kafe, tantely, zava-manitra sy vokatra hafa no hampahafantarina ny tsena iraisam-pirenena.

✅Araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia tanjona ny hampiroborobo ny vokatra malagasy, hanokatra tsena vaovao ary hanamafy ny fifaninan’ny orinasa malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

🇲🇬 Vokatra malagasy, rehareha sy harena ho an’ny firenena!#MIDSP #ProjetPIC #SIALParis2026 #MadeInMadagascar #OrinasaMalagasy

Vous aimerez aussi...