Trophée du jeune entrepreneur 2026

📍 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘦𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-24 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘳𝘰𝘱𝘩𝘦́𝘦 𝘥𝘶 𝘑𝘦𝘶𝘯𝘦 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳 (𝘛𝘑𝘌) 2026 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗). 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘈 𝘋𝘦́𝘴𝘪𝘳𝘦́ 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘴𝘰𝘭𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
✅ Ankasitrahan’ny MIDSP ny ezaka ataon’ny BNI Madagascar amin’ny famporisihana ny fandraharahana sy ny fanohanana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha, amin’ny alalan’ity fifaninanana ahitana sokajy telo ity: STARTUP TJE, TJE Femme Entrepreneur ary TJE Croissance+.
✅ Manamafy ny fahavononan’ny MIDSP hanohana ireo hetsika mampiroborobo ny fandraharahana, ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara izany.
🤝 Arahabaina ireo mpandresy rehetra ary entanina hatrany hanohy ny ezaka sy ny haivao.
