Salon International de l’Habitat (SIH) andiany faha-27

« 𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮. »
📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 22 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘩𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘳𝘦𝘯𝘢𝘯𝘢, 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘯𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦 𝘭’𝘏𝘢𝘣𝘪𝘵𝘢𝘵 (𝘚𝘐𝘏) 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-27, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 22 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 25 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰.
✅Tranoheva miisa 250 no mandrafitra ity hetsika haharitra efatra andro ity, izay entin’ny lohahevitra hoe « Vina sy fanorenana ny tontolo ho avy ». Eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) ny hetsika.
✅Amin’ny alalan’ny fiahiana ny SIH no hanamafisan’ny MIDSP ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny fampiroboroboana ireo vokatra vita eto an-toerana.
✅Anisan’ireo mampiranty ny vokatra ao amin’ny tranohevan’ny Minisitera ny Kaoperativa KVM, izay misehatra amin’ny kojakoja fanorenana sy ny fandravahana trano. Mandray anjara ihany koa ny OMAPI (Office Malgache de la Propriété Industrielle), izay manampy ireo orinasa sy mpamorona ary mpikaroka amin’ny fiarovana ny fizaka-manana ara-indostria.
