Ascent Madagascar 2026-2030 : Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fandaharana

𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘐𝘷𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺, 18 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘈𝘚𝘊𝘌𝘕𝘛 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘧𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘨𝘰𝘷𝘰 𝘮𝘢𝘥𝘪𝘰 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢.
Nandritra ny lanonana, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, dia nanamafy fa anisan’ny fototra iankinan’ny fampandrosoana ny angovo. Niantso ny fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina ihany koa izy ary nanasongadina ny tokony hanaraha-maso akaiky ny fanatanterahana ny fandaharanasa.
Nanatrika ny lanonana ihany koa Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, sy Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony sy Andriamatoa solotena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou SECK.
