Fiaraha-miasa eo amin’ny MIDSP, ny tetikasa EAGER ary ny sehatra tsy miankina ho fanomezana hery ny vehivavy sy ny zatovovavy

𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 19 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘯𝘪𝘢 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘌𝘈𝘎𝘌𝘙 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢.
Miompana amin’ny fanomezana hery sy fampahaleovan-tena ara-toekarena ny zatovovavy sy ny vehivavy ity fiaraha-miasa ity, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony, ny fanohanana ireo tetikasa fandraharahana ary ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola. Vehivavy manodidina ny 60 000, eo anelanelan’ny 18 sy 35 taona, no kendrena hisitraka izany.
Nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, fa tetikasan’ny Fanjakana Malagasy ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola ny EAGER.
Notsindriany ihany koa fa ny fiaraha-miasa sy ny fifamenoan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no anisan’ny antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra amin’ny fanomezana fahafahana ny vehivavy sy ny tanora handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
