SIAE 2026 : Fankalazana ny JIA sy GEW

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 20 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘯𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦𝘴 𝘈𝘧𝘧𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘭’𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘵 (𝘚𝘐𝘈𝘌) 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-5, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 19 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 22 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026, 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢 (𝘑𝘐𝘈) 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘔𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 (𝘎𝘌𝘞).

✅Sehatra iray mampivondrona ny Fitondram-panjakana, ny mpandraharaha, ny mpisehatra ara-toekarena ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, mba hampifandray ny orinasa amin’ireo mpamatsy vola sy hanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara.

✅Nandritra ny fanokafana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, dia nanamafy fa ny sehatra tsy miankina no tena fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena, ka ny andraikitry ny Fitondram-panjakana dia ny mametraka ny lalàna sy ny fotodrafitrasa ahafahan’izy ireo mivelatra sy mamorona asa.

📌Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana angovo azo havaozina sy angovo madio, izay fototra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny indostria.

📌Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no antoky ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny famoronana asa eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...