Pole Stage Madagascar (PSM) andiany faha-12

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 𝘧𝘢𝘩𝘢 22 Aprily 2026 – 𝘔𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 134, 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘫𝘦𝘳𝘪𝘮𝘢𝘯𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘵𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘌𝘚𝘐 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳, 𝘜𝘕𝘐𝘍𝘙𝘈, 𝘐𝘔𝘗𝘍 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳, 𝘌𝘚𝘊𝘈𝘔, 𝘐𝘚𝘛 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 𝘢𝘳𝘺 𝘌𝘚𝘗𝘈, 𝘮𝘢𝘳𝘪-𝘱𝘢𝘯𝘬𝘢𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺.

✅ « Enga anie mba hitondra vokatsoa eo amin’ny fiainan’ny tsirairay avy ny Pole Stage, mba hanatsara ny fiainanareo andavanandro ary hahatonga ny tsirairay hahatratra ny tanjony. » Izany no nambaran’ny Tale Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RICHMAN David, nandritra ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpianatra nahavita ny fiofanana arak’asa “Pôle Stage Madagascar”.

📌 Ny tanjon’ity fandaharan’asa ity dia ny hanamora ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa (insertion professionnelle), amin’ny alalan’ny fanomezana traikefa matihanina voalohany ho azy ireo.

Marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, ary ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM).

✅ Mitohy hatrany ny fandaharan’asa “Pôle Stage Madagascar”, izay mikendry ny hanitatra ny fahafahan’ny tanora mahazo fiofanana sy hampitombo ny vintana hahazoany asa maharitra

Vous aimerez aussi...