PIC 3 / Fivorian’ny komity nasionaly mpanantanteraka sy fampitoviana fomba fijery

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢, 𝘧𝘢𝘩𝘢 23 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘐𝘊 3 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘛𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢.

✅ Nandray anjara tamin’ity fivoriana manan-danja ity tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

📌 Faritra folo eto Madagasikara no voakasiky ny tetikasa PIC 3 : Diana, Analanjorofo, Antsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Antsinanana, Anôsy, Atsimo Andrefana, Analamanga ary Ambatosoa.

✅ Sehatr’asa telo no iasana amin’izany dia ny tontolon’ny fizahantany, ny fanodinanana ara-takafo ary ny haitao ara-kajy mirindra.

📌Ny PIC 3 dia mikendry ny fanatsarana ny tontolo iasan’ny sehatra tsy miankina sy mamaha ireo sakana hatrehan’izy ireo.

Vous aimerez aussi...