MIDSP – BIANCO

𝗡𝗔𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗣𝗢𝗟𝗜𝗧𝗜𝗞𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗡𝗬 𝗜𝗔𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗞𝗢𝗟𝗜𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔

📍𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖 24 𝙖𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 2026 – 𝘕𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘰 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢 𝘵𝘦𝘭𝘰 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘷𝘪𝘵𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘱𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯𝘺 𝘪𝘢𝘥𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘰 𝘧𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘰.

✅Noraisin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera TATAMIARISOA Manankoraisina Landry sy ny Talen’ny ady amin’ny kolikoly FINOANA Cédric tetsy Anosy ireo Delegasiona avy amin’ny BIANCO izay notarihan’ny Talen’ny Fitaizana sy Fisorohana RAZARASOA Timoty androany maraina.

✅Nidera ny ezaka sy ny fahavononan’ny MIDSP ireo tompon’andraikitra avy amin’ny BIANCO amin’ny finiavana iadiana ny kolikoly ka vonona izy ireo hiaraka amin’ny Minisitera hanatanteraka izany politika izany.

📌Ny tanjona ao anatin’izao dia ny fanehoana hatrany ny Mangarahara ary hampiakarana ny fitokisan’ny vahoaka.

Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera moa fa handroso lalin-dalina ny Minisitera izay iadidiany amin’ny fampanjakana ny ady amin’ny Kolikoly.

Vous aimerez aussi...