Fampandrosoana ifotony | Antseva Moramanga

𝐹𝑖𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎𝑣𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑝𝑎𝑚𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑚𝑖𝑖𝑠𝑎 260, 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑡𝑎𝑙𝑦 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑜𝑛𝑖𝑛𝑎 1 300 𝑒𝑜, 𝑛𝑜 ℎ𝑖𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑚𝑖𝑣𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑚𝑝𝑜𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑑𝑖𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 13 700 𝑒𝑜 𝑘𝑜𝑠𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑘𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑑𝑖𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑖𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑛𝑘𝑜𝑙𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑡𝑖𝑘𝑎𝑠𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑜𝑑𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑎𝑘𝑎𝑚𝑎𝑙𝑎ℎ𝑜 ℎ𝑜 𝑙𝑎𝑠𝑎 𝑙𝑜ℎ𝑎-𝑚𝑒𝑛𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑜 𝐴𝑛𝑡𝑠𝑒𝑣𝑎, 𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑛𝑖𝑣𝑜ℎ𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑀𝑎𝑛𝑑𝑖𝑎𝑙𝑎𝑧𝑎, 𝐷𝑖𝑠𝑡𝑟𝑖𝑘𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑜𝑟𝑎𝑚𝑎𝑛𝑔𝑎.
Notokanana ny 4 jona 2026 ny fotodrafitrasa napetraky ny CEAS ao anatin’ny Tetikasa Energynger, izay mikendry ny hampitombo ny sanda ara-toekarena amin’ny vokatra eny ifotony, hamorona asa ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina.
Nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Atoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny lanonana Ramatoa TIDAHY Chantal, Talen’ny Kabinetra. Nambarany fa manohana hatrany ny fampiasam-bola mamorona asa sy sanda fanampiny, indrindra any ambanivohitra ny MIDSP. Mifanindran-dalana amin’ilay lalan-tsaina manavao mitondra makany amin’ny fandrosoan’i Madagasikara izay banjinin’ny Fitondram-panjakana mandritra ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara rahateo izany.
Ity tetikasa ity dia manamafy ny fanodinana ireo vokatra ara-pambolena eto an-toerana mba hahafahany mifaninana eo amin’ny tsena, sady manampy amin’ny fanatrarana fampandrosoana maharitra sy iarahan’ny rehetra misitraka.
