Fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny vehivavy

𝙈𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 30 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙨𝙤𝙧𝙖𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙩𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙀𝘼𝙂𝙀𝙍
Tsiahivina fa Tetikasan’ny Governemanta ny EAGER izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary hiarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ary ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena miasa. Ny fampiharana ity Tetikasa ity kosa dia tanterahan’ny « Fonds d’Intervention pour le Développement ».
Manana hatramin’ny 30 jona 2026 ireo vehivavy voasokajy ao anatin’ny 18-35 taona liana amin’ny sehatry ny fandraharahana amin’ny fisoratana anarana.
Araho ary ireto toromarika ireto :
Arahana ny toromarika amin’ireo sary eo ambany.
Misoratra anarana mivantana amin’ireo toerana voatondro ary mitondra ny taratasy ilaina.
Na en ligne, fenoina avy hatrany ny rohy :
– Raha efa mpandraharaha ianao ka te hampivelatra ny asanao: https://bit.ly/4sx9tQh
– Raha mitady asa sy fizaran’asa (stage): https://bit.ly/4sxeoRg
Marihana fa maimaimpoana avokoa ny dingana rehetra ao anatin’ny tetikasa ary efa 10 000 sahady ireo vehivavy namaly ny antso.
