Miara-manandratra ny vita gasy isika

𝗔𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗲𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗲𝘃𝗮 𝗶𝘀𝗮𝗻-𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗻𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 « 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗡𝘆 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 » 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝟭𝟴 𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝟯𝟭 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮 𝗥𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮𝗹𝗮 𝗔𝗶𝗿𝗽𝗼𝗿𝘁𝘀 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 𝗜𝘃𝗮𝘁𝗼.

📌Hery lehibe manosika ny fiovàna ara-toekarena eto Madagasikara ny tontolon’ny Indostria. Amin’ny alalan’ity fampirantiana ity, ny Governemanta dia manamafy ny finiavany hampiasa ny fanodinana ara-indostrialy ho fitaovana hamoronana harena, sanda fanampiny ary asa maharitra.Ny mari-pamantarana « Malagasy Ny Antsika » dia manasongadina ireo orinasa manodina ny loharanon-karena eto an-toerana, mampiasa vola, manavao ary mampiseho fa afaka mamokatra amin’ny fenitra avo lenta i Madagasikara. Porofo mivaingana amin’ny ezaka natao hanamafisana ny sehatra famokarana sy hampiroboroboana ny « Vita Malagasy » izany. Hanohy ny fanavaozana hanatsarana ny tontolo iasana, hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny orinasa ary hisarika bebe kokoa ny fampiasam-bola amin’ny indostria ny rafi-panjakana ankehitriny.

✅Ity hetsika haharitra hatramin’ny 31 jolay 2026 ity dia manamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana hitondrana avo ny vokatra malagasy.

✅Nanatrika izany fanokafana ny fampirantiana tamin’ny fomba ofisialy izany ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, RAZAFINDRAZAKA Nainanirina.

Vous aimerez aussi...