Sosialin’ny Mpiara-miasa eto amin’ny MIDSP

𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻-𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮
𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖 18 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘛𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘦𝘩𝘢 𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘴𝘦𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘴𝘢𝘭𝘢𝘮𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢.
Tsy manao ambanin-javatra izay fijerena ny fahasalaman’ny mpiara-miasa izay ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina hoy ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Ka nanokana fotoana ho an’ny fitiliana ny tosidrà, ny diabeta sns ho fisorohana ny aretina mitarazoka.
Miisa 104 ireo mpiara-miasa teto anivon’ny MIDSP nisoratra anarana nanatanteraka ireo fitiliana voaomana nandritra ny hetsika.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fijerena ny sosialin’ny mpiara-miasa rehetra moa ity hetsika ity.
