Nanao tohy vakana ny fandraisana ireo solontenan’ny vondron’ny sehetra tsy miankina

𝘕𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘷𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘵𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘖𝘔 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘎𝘌𝘔, 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘋𝘎𝘋𝘚𝘗) 𝘢𝘷𝘺 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗, 𝘙𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘈𝘳𝘭𝘪𝘴𝘦 𝘔𝘈𝘕𝘈𝘕𝘈𝘙𝘐𝘝𝘖, 𝘧𝘢 𝘩𝘪𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘰𝘭𝘰-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘢𝘳𝘰𝘴𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢.

✅Nambarany fa hodinihina sy harahina akaiky ireo filàna sy laharam-pahamehana napetraky ny FOM sy ireo vondron’ny mpandraharaha, mba ahafahana mametraka vahaolana mahomby sy azo tsapain-tanana.

Nandritra ny fihaonana dia nanamafy ny fahavononany hiroso lavitra kokoa amin’ny fiarovana sy fampiroboroboana ny tombontsoan’ny sehatra tsy miankina izy. 📌Nohamafisiny fa noho ny traikefa efa ananany tao anatin’ity sehatra ity nandritra ny taona maro, dia tsy hijanona amin’ny fanamarihana na fandinihana olana fotsiny ny tenany, fa hiroso amin’ny fikarohana vahaolana mivaingana sy fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra mba hahitana valiny mahomby sy haingana.

📌Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny GEM sy ny MIDSP ny fifampidinihana. Nanararaotra izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny GEM naneho ireo olana sy fanamby sedrain’ny sehatra tsy miankina amin’izao fotoana izao, izay mitaky fandraisana fanapahan-kevitra haingana sy mahomby.

✅Anisan’ny noresahina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fanohizana ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra nivoaka nandritra ny Assises pour la Relance Économique, izay notanterahina tamin’ny volana Febroary sy Martsa lasa teo.

Samy nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanalalinana ny fiaraha-miasa eo amin’ny MIDSP sy ny GEM ny roa tonta, mba ahafahan’ny dinika rehetra miteraka fanapahan-kevitra mivaingana sy vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny sehatra tsy miankina.

📌Naneho ny fanantenany ny GEM fa hitondra fandrosoana sy vahaolana maharitra ho an’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa napetraka.

Vous aimerez aussi...