Fitokanana trano toeram-piasana vaovao – Orinasa Softwell

📍𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 01 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘣𝘪𝘳𝘢𝘰 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘯𝘺 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘚𝘖𝘍𝘛𝘞𝘌𝘓𝘓 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘷𝘪𝘳𝘰, 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘯𝘺 𝘗𝘢𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 (𝘔𝘕𝘋𝘗𝘛), 𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘔𝘈𝘔𝘗𝘐𝘈𝘋𝘈𝘕𝘈 𝘔𝘢𝘩𝘦𝘧𝘢, 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢 lefitry 𝘯𝘺 𝘎𝘳𝘰𝘶𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘪𝘴𝘦𝘴 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 (𝘎𝘌𝘔), 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 ANDRIANTEFIHASINA Hary.

✅Nisongadina manokana ity lanonana ity satria mifanindry amin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny SOFTWELL, orinasa malagasy iray efa nanamafy ny toerany teo amin’ny fanampiana ny fitantanana orinasa, ny fandrindrana angon-drakitra ary ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny nomerika eto Madagasikara.

📌Nandritra ny kabariny, nanamafy ny Minisitry ny MIDSP fa ny fisokafan’ity toeram-piasana vaovao ity dia mampiseho ny fivoaran’ny orinasa nandritra ny 25 taona, na dia teo aza ireo krizy nolalovan’ny firenena : « 25 taona tsy nolalovam-potsiny, 25 taona nandalovana krizy teto amin’ny firenena, nefa dia hita fa niroborobo tokoa ny toeran’i SOFTWELL. »

📌Nanamafy ihany koa izy fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no vahaolana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena, indrindra amin’ny lafiny nomerika : « Ny fanavaozana ny teknolojia no antoka fampandrosoana ny indostria sy ny varotra… ny teknolojia no vahaolana voalohany amin’izany. »

Tsy nohadinoiny ihany koa ny nanome haja ny Tale Jeneralin’ny SOFTWELL, Ramatoa ANDRIAMANANTSOA Mbolatiana, noho ny anjara toerany amin’ny fitarihana ny orinasa, ary nanamafy ny fanohanan’ny Fanjakana ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa : « Anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanohanana ny vehivavy amin’ny asa vitanao. »

✅Amin’ny alalan’ity fitokanana ity, mankasitraka manokana ny SOFTWELL ny MIDSP nohon’ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo nomerika eto Madagasikara, ary manamafy ny fanohanany hatrany ireo mpandraharaha sy orinasa mamorona vokatra sy tolotra ara-teknolojika mifanaraka amin’ny filan’ny firenena.

Fanjakana sy sehatra tsy miankina, miara-mandroso ho an’ny nomerika malagasy.

Vous aimerez aussi...