Fiaraha-miasa amin’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD)

Manamafy ny fiaraha-miasa ny MIDSP sy ny BAD ho fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe.

Anosy, 6 jolay 2026 – Noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny Tale Mpitantana ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) eto Madagasikara, Atoa Adam AMOUMOUN, niaraka tamin’ny Tompon’andraikitry ny fandaharanasa, Atoa Donatien KOUASSI.

Nandritra ny fihaonana dia nojerena ny fandrosoan’ireo tetikasa vatsian’ny BAD, izay manohana ny politikam-panjakana momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina.

Tetikasa roa lehibe no nifantohan’ny dinika :

• PAISF (Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier), izay mikendry ny hamorona tontolo manintona ny fampiasam-bola tsy miankina eo amin’ny sehatry ny famokarana, indrindra amin’ireo sehatra ananan’i Madagasikara tombony toy ny lamba sy ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena.

• PTASO (Projet de Développement de la Zone de Transformation Agro-industrielle dans le Sud-Ouest de Madagascar), izay mikendry ny hampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana sakafo sy hampitombo ny sanda ara-toekarena ateraky ny fanodinana ireo vokatra ara-pambolena eto an-toerana. Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa efa voavaha ny olan’ny fananan-tany mifandraika amin’ity tetikasa ity, ka ahafahana manohy ny fanatanterahana azy tsy misy sakana.

Ny tanjon’ny fihaonana dia ny hitadiavana vahaolana amin’ireo sakana mety hanemotra ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo, mba hahafahan’ny asa miroso amim-pahombiazana sy araka ny fandaharam-potoana.

Amin’ny alalan’izao fiaraha-midinika izao dia samy manamafy ny fahavononany ny MIDSP sy ny BAD hanafaingana ny fanatanterahana ireo tetikasa stratejika, izay hitondra fampiasam-bola, hamorona asa ary hanamafy ny fanovàna ara-toekarena maharitra eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...