๐—ฃ๐—ขฬ‚๐—Ÿ๐—˜ ๐—ฆ๐—ง๐—”๐—š๐—˜ ๐— ๐—”๐——๐—”๐—š๐—”๐—ฆ๐—–๐—”๐—ฅ (๐—ฃ๐—ฆ๐— )

๐— ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐Ÿญ๐Ÿฑ๐Ÿฌ ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—ณ๐—ถ๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—ป๐˜๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—ฒ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ.

๐Ÿ“๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ด๐˜บ, 29 ๐˜‘๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข๐˜บ 2026 โ€“ ๐˜ก๐˜ข๐˜ท๐˜ข-๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฃ๐˜ฆ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ข๐˜ฏ-๐˜ต๐˜ด๐˜ฆ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ญ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ด๐˜ข๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ข, ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ป๐˜บ ๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ข๐˜ด๐˜ข ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ง๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ด๐˜ข ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ.

โœ… Mpianatra maherin’ny 150 avy amin’ireo oniversite sy ivon-toeram-pampianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana toy ny ESPA, UCM, ACEEM, ISCAM, ESTII ary INFP, no nisitraka fiofanana nandritra ny telo andro momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toetra tokony hananan’ny mpandraharaha.

๐Ÿ“Œ Anisan’ireo nizara traikefa sy nampiofana azy ireo ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE).

โœ… Nandritra ny lanonana famaranana dia nankasitraka ny fahavononan’ireo mpianatra hanovo fahalalana sy hiomana sahady amin’ny fiainana arak’asa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Nambarany fa ny tanora no hery manosika ny fampandrosoana ny firenena, ka ilaina ny fanohanana sy fanomezana traikefa sahaza azy ireo. Nohamafisiny ihany koa fa ny Pรดle Stage Madagascar (PSM) dia sehatra iray manamora ny fampifandraisana ny tontolon’ny fianarana sy ny tontolon’ny asa, sady manampy ireo tanora hiomana amin’ny fiainana matihanina.

๐Ÿ“Œ Nofaranana tamin’ny fanolorana ny taratasy fanamarinana ho an’ireo mpiofana ny hetsika, izay notanterahin’ireo mpikarakara, dia ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFOP) ary ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM).

Vous aimerez aussi...