Fampiasam-bolam-panjakana

𝗝𝗲𝗿𝗶𝘁𝗼𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗲𝗻𝗶𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗯𝗼𝗹𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 (𝗥𝗲𝘃𝘂𝗲 𝘀𝗲𝗺𝗲𝘀𝘁𝗿𝗶𝗲𝗹𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹’𝗲𝘅𝗲́𝗰𝘂𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗯𝘂𝗱𝗴𝗲́𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲)

📍𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 31 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘫𝘦𝘳𝘪𝘵𝘰𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘦𝘯𝘪𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘦𝘵𝘪𝘣𝘰𝘭𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 2026 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢. 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘬𝘢𝘫𝘪𝘯𝘺.

✅ Nitondra ny lohahevitra hoe « Tetikasa fampiasam-bolam-panjakana mamorona ny ho avin’ny firenena sy mamorona asa » ity atrikasa ity. Nandritra izany no nanoloran’ireo Minisitera sy andrim-panjakana ny tatitra momba ireo zava-bita nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ny taona 2026, ary koa ny vina sy laharam-pahamehana ho an’ny enim-bolana faharoa.

📌 Nifantoka tamin’ny fanatanterahana ny tetibola amin’ny sehatra telo lehibe ny famelabelarana, dia ny fampandehanan-draharaham-panjakana, ny tetikasa famatsiam-bola anatiny, ary ny tetikasa vatsian’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Ireo tatitra ireo dia natao ho fototry ny fifanakalozan-kevitra hanatsarana ny fitantanana ny tetibola, hanitsiana ny lalan-kizorana raha ilaina, ary hanamafisana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana.

✅ Nandritra ny lahateniny, nanamarika ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, fa enin-taona izay tsy nisy ny jeritodika toy izao ka izao naverina izao indray. Nambarany fa tena ilaina izany satria ahafahana mandrefy ny zava-bita, mamantatra ireo sakana sedraina ary mandray fanapahan-kevitra haingana hanitsiana sy hanatsarana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana.

📌 Nohamafisiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanovana toe-tsaina eo amin’ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana, amin’ny alalan’ny mangarahara, ny fahombiazana ary ny fanamorana ireo dingana ara-pitantanana. Efa tanterahina, hoy izy, ny fanalefahana sy fanatsorana ireo fomba fiasa mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy hampitombo ny vokatra azo tsapain-tanana.

✅ Notsindriana nandritra ity atrikasa ity fa ny tanjona faratampony amin’ny fanatanterahana ny Tetibolam-panjakana dia ny hahatonga ny asa sy ny tetikasa ataon’ny andrim-panjakana sy ny Minisitera hisy fiantraikany mivantana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...