Tetikasa EAGER

📍𝘛𝘢𝘰𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰, 06 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘴𝘰𝘢 𝘢𝘮𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘰𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘺, 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘌𝘈𝘎𝘌𝘙 (𝘌𝘢𝘴𝘵 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘤𝘢 𝘎𝘪𝘳𝘭𝘴’ 𝘌𝘮𝘱𝘰𝘸𝘦𝘳𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘢𝘯𝘥 𝘙𝘦𝘴𝘪𝘭𝘪𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘮𝘦).
✅ Ny EAGER dia tetikasan’ny Governemanta malagasy, iarahana amin’ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny maha mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary tanterahin’ny FID/UFP.
📌Tanjony ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahafahan’ny tovovavy sy ny vehivavy tanora misitraka fanabeazana sy fahafahana ara-toekarena, ka hampiroborobo ny fizakan-tenany sy ny fandraharahana.
📌Ny fiampitàna mankany amin’ny sehatry ny asa sy ny fanohanana ny tanora vehivavy efa mpandraharaha miisa 60 000 no iarahan’ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), manerana ireo faritra iasan’ny Tetikasa.
