NAMAKIA : Niverina amin’ny laoniny ny asa

𝘕𝘢𝘮𝘢𝘬𝘪𝘢, 09 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘢𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘴𝘢𝘥𝘪𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘱𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘳𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘊𝘖𝘔𝘗𝘓𝘈𝘕𝘛 𝘕𝘢𝘮𝘢𝘬𝘪𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘪𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺 𝘢𝘷𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘦𝘬𝘪𝘱𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘵𝘦𝘯𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘯-𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘳𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢-𝘮𝘢𝘯𝘨𝘢𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘺 𝘊𝘔𝘊𝘚 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘐𝘙𝘈𝘔𝘈.

✅ Naharitra andro maromaro ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana natao teo amin’ny mpiasa sy ny orinasa, nikendrena ny hahitana vahaolana iaraha-manaiky sy hiarovana ny tombontsoan’ny roa tonta.

📌 Nahitam-bokany ny fifampiresahana. Nisy ny marimaritra iraisana, indrindra mikasika ireo tambin-karama sy « primes » mifandraika amin’ny asa fanapahana fary. Nanaiky ny hiverina hiasa ireo mpiasa ary nivaha am-pilaminana ny disadisa.

✅ Nofaranana tamin’ny fomba nentim-paharazana ihany koa ny fifandirana, ho mariky ny fihavanana sy ny famaranana tanteraka ny disadisa.

Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny asa ao Namakia, ary mitohy ara-dalàna ny fitaterana ny fary.

📌 Manamafy hatrany ny MIDSP fa ny fifampiresahana, ny fanelanelanana ary ny fitadiavana vahaolana iaraha-manaiky no lalana mahomby hiantohana ny fitoniana eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny faharetan’ny asa.

Vous aimerez aussi...