Fihaonana an-tampony faha 46 ny SADC :
𝗡𝗢𝗛𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔 𝗦𝗔𝗗𝗖 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔

𝘕𝘪𝘧𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 17 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 𝘵𝘢𝘰 𝘋𝘶𝘳𝘣𝘢𝘯, 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰, 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘮𝘱𝘰𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢 46 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘈𝘋𝘊, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢.
Nohamafisin’ny SADC nandritra izany ny fanohanany ny dingana Fanavaozana eto Madagasikara, indrindra ny fitantanana mangarahara sy iarahan’ny rehetra, ny fanamafisana ireo andrim-panjakana, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny famerenana amin’ny laoniny ny laminana araka ny Lalàm-panorenana.
Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanodinana ny fambolena, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny rojom-pihariana isam-paritra ary ny fanomezan-danja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika ny dinika.
Ho an’i Madagasikara, ireo fanapahan-kevitra ireo dia manokatra hatrany ny làlana ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny alalan’ny fanodinana akora eto an-toerana, ny fampandrosoana ny rojom-pihariana ary ny fanitarana ny tsena isam-paritra.
Ao anatin’izany, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana ireo ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, mifanaraka @ Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana.
