PTASO – Atsimo Andrefana | Manara-maso ny fandrosoan’ny tetikasa sy mijery ifotony ny toerana hanorenana ny PAI

📍𝘕𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘳𝘢𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘢𝘴𝘰 𝘢𝘬𝘢𝘪𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘫𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘥𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘻𝘰𝘯𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘴𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘈𝘨𝘳𝘰-𝘪𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 𝘥𝘢𝘯𝘴 𝘭𝘢 𝘳𝘦́𝘨𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘶 𝘚𝘶𝘥-𝘖𝘶𝘦𝘴𝘵 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 (𝘗𝘛𝘈𝘚𝘖).

✅Nandritra izany dia nanolotra ny fandrosoan’ny tetikasa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny PTASO, ary nodinihina ireo sakana mbola misy sy ny vahaolana tokony horaisina mba hanafainganana ny fanatanterahana azy. Anisan’ny dingana vita ny fiarovana ara-tany ireo toerana hanatanterahana ny PAI sy CABIZ, ary efa mandroso ny fanadihadiana ara-teknika momba ny fotodrafitrasa. Nanome baiko ny Minisitra fa tsy maintsy mandroso haingana ny tetikasa ary tsy maintsy vita ao anatin’ny fe-potoana nifanarahana. Taorian’ny fihaonana dia nidina ifotony teny Ankoronga, Distrikan’i Toliara II, ny Minisitra sy ny delegasiona niaraka taminy, nijery ny toerana voatondro hanorenana ny Parc Agro-industriel (PAI).

📌Tetikasa lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana ny PTASO, mikendry ny hampiroborobo ny fanodinana sy fanomezana lanja ny vokatra fambolena, amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa sy fanamafisana ny rojom-pamokarana ao amin’ny faritra.

Vous aimerez aussi...